Ry Tompoko ilay endrikao re no mahafinaritra ahy_ANKALAZAO NY TOMPO_Hira Katolika Malagasy
Hira Katolika Malagasy Hira Katolika Malagasy
7.6K subscribers
1,522 views
33

 Published On Sep 21, 2024

Welcome to our YouTube channel dedicated to Malagasy Catholic music! We are delighted to share with you an inspiring collection of religious songs from Madagascar. Our channel is here to offer you a connection to your spiritual heritage.

Bienvenue sur notre chaîne YouTube dédiée à la musique Catholique Malagasy ! Nous sommes ravis de partager avec vous une collection inspirante de chansons religieuses en provenance de Madagascar. Notre chaîne est là pour vous offrir un lien avec votre héritage spirituel.
#HiraKatolikaMalagasy #HiraKatolikaMalagasy #hirakatolikamalagasy

Ry Tompoko, 'lay endrikao re no mahafinaritra ahy,
Tadiaviko 'lay endrikao re ka aza afenina ahy.

1. Tonga nofo aho ho fanambaràna ny Ray,
Raha toa ka mitady ahy ianao, hahalala ny endriko.

2. 'Zaho nanaiky ho zaza hanoa izay voalazan'ny Ray
Raha miaiky ho zanany ianao, hahalala ny endriko.

3. Niasa tanana aho, nanohy ny asan-tanan'ny Ray,
Raha toa mba manohy ianao, hahalala ny endriko.

4. E ! Mpampianatra aho, f'izaho no Tenin'ny Ray,
Raha mihaino ahy tokoa ianao, hahalala ny endriko.

5. 'Zaho no Mpamonjy nampanantenain'izy Ray,
Raha miandry ahy tokoa ianao, hahalala ny endriko.

6. 'Zaho no Mofon'aina, sakafo aroson'ny Ray,
Raha mihinana izany ianao, hahalala ny endriko.

7. 'Zaho no Mpandresy, mitoetra eo havanan'ny Ray,
Indray andro ny endrikao hitovy amin'ny endriko.

show more

Share/Embed