π’π€πŒπŽπ„π‹π€ (Feat. Rakoto Frah & 18,3) - π…πˆπ“πˆπ€ π“π€π‘π€π‹πˆπ‹π€ (Album Audio MANATOSAKA / Studio MARS 1999)
Samoela Samoela
10.1K subscribers
29,666 views
170

 Published On Oct 6, 2023

Isan'andininy :
Fa na zovy, na inona akia
Ny taralilan'ny foko ho doria
Na ho inona hitranga
Raha ny foko dia tsy mba ho janga
F'izay rehetra nomena
Tsy akosoka fa volamena
'Zay rehetra mijoro,
Ho tohanako mafy tsy hikoro

Fa naninona aza ianao? Sa nisy namosavy!
No leoleo sahady
Fa raha ny ahy ny sitra-poko sy vetsovetsom-poko
Ny amintsika tsy hangatsiaka
Ka na zovy ny hanaraby , na zovy ny hanakiana
Na zovy ny hanakora
Dia ho avela hiferin'aina eo, hiefonefo, ho fotsy rora

Ny mpifankatia tsy mifamingana
Tsy mahavita na inona na inona raha mandeha singany
Amin'ny alina mila mitaingitaingina sao lasa mitingitingina
Tsy mifamingana, tsy mifandripaka
Ary tsy voa vao mibitaka
Ohatry ny "fibata" sy "tout venant" voajonon'ny fintana
Fintana be mifaraingoka ho an'izay tia tsaingotsaingoka
Miady dia mifampi-dance : "Style maingoka"
Aleo mifanampy, mifanolotra, omeo ny vatana, omeo ny molotra
Bisous, bisous, minou, minou, fa 'lay iray amin'ny alina vao atolotra
Fa raha any ho any kosa misy mitady ho poritra
Mankanesa aty aminay, aty no atondrotondrotra
Ny mpifankatia mifampiantso hoe : avia, avia "chΓ©rie, chΓ©rie"
Fa tsy mitaraina hoe : mamamia, mamamia

Dia ahay hifampizara ny ratsy sy ny tsara fa hanangana tantara
Dia hifikitra amin'ilay avo, hifanohan-tsy ho lavo, dia ho tretrika sy ravo
Fa izay no tena izy, no sady sitraky ny ankizy!

Na zovy ny hisafoaka, hanambara azy ho inona!
Dia ho ataonay tsinontsinona, hipitsiho fa efa tsisy kil!
Ka na zovy ny hanao amboletra, sy hanao avonavona
Dia ny ataontsika ihany retsy no ataontsika foana
Fa varahina tsy hamiratra ireny : mangahazo lo aty,
Ny miteniteny foana no hain'ireny, kanefa poak'aty
Koa tsy misy hirarahiantsika roa,
Izay garanadrelin-tsinoa tsy tian'ny kisoa!

show more

Share/Embed