FANGATAHANA AMPANAOVIN'NY PAPA HO AN'NY VOLANA JOLAY 2022
AFAFI-FET Madagasikara AFAFI-FET Madagasikara
354 subscribers
15 views
0

 Published On Jul 7, 2022

« Mba hanampy ny tanora hibanjna ny ho avy amim-panantenana sy amim-pandraisana andraikitra anie ny traikefam-piainana sy ny fahendren'ny zokiolona izay maneho ny fototra niandohana sy mpitahiry ny fomba amam-panaon'ny vahoaka iray » .

Ao anatin'izao fangataham-bavaka volana jolay izao dia manasa antsika hivavaka amin'ny fomba manokana ho an'ny zokiolona ny Papa Ray Masina, fa indrindra mba hanampy ny tanora hibanjina ny ho avy amim-panantenana ny traikefa sy ny fahendren'ireo ireo. Ao anatin'ny lahateny nataony ny Papa no mampahatsiahy fa « manana andraikitra lehibe amin'ny taranaka vaovao » ny zokiolona. « Tsy afaka miresaka momba ny fianakaviana isika, hoy ny Papa, raha tsy miresaka momba ny maha-zava-dehibe ny zokiolona eo anivontsika ».

« Matetika ny zokiolona dia manana fahatsapana manokana momba fikarakarana fiahiana, amin'ny fandinihana ary ny fitiavana », hoy hatrany ny Papa nanamarika. « Tompony, na mety ho lasa tompon'ny halemepanahy ny izahay, hoy izy miteny amin'ny maha zokiolona azy.

Ny fijoroana vavolombelona ataon'izy ireo momba ny fiainana, na dia ny fisiany fotsiny aza, dia maneho ny soatoavina maha olombelona antsika. Ny tanora indrindra no manana zavatra maro ianarana sy azo avy amin'izy ireo.

Mifanindran-dalana indrindra moa ity fangataham-bavaka ity amin'ny fankalazana ny andro maneran-tany faha-2 ho an'ny Raibe sy Renibe sy ireo zokilona, izay hotanterahina ny alahady faha 24 Jolay 2022 ho avy izao, any Roma sy amin'ireo Diosezy ary Fiangonana maneran-tany, manodidina ilay lohahevitra hoe : « Mbola hamoa izy ireo amin'ny fahanterany » (Sal 92, 15).

Hoy ny Papa Fransoa hoe : « Aoka ho tsaroantsika fa : ireo Raiamandrenibe sy ny zokiolona no mofo mamelona ny fiainantsika, fahendrena miafin'ny vahoaka. Izany no tsy maintsy ankalazantsika azy ireo ary nametrahako andro natokana ho azy ireo. »

Imbetsaka ny Papa Fransoa no nanasa sy nanentana ny zokiolona hampita ny finoana ao amin'ny fianakaviana. Resahin'ny Papa amin'izany ny maha mpisehatra azy ireo amin'ny asa fitoriana ny Vaovao Mahafaly, ary vavolombelon'ny fitiavan'Andriamanitra. Iraka mahafinaritra nankinina tamin'ireo zokiolona izany. Amin'ny fotoana izay mampilatsaka ny tanjak'izy ireo sy mampihena ny asa fanaony, ahoana moa no tsy hahafaly azy ireo amin'ity iraka fampitana ny finoana sy ny traikefa amin'ny tanora ity, mba hahafahany mandroso amin'ny fiainana tsaratsara kokoa amin-pahatokiana ?

Harena ary rakitsarobidy ho an'ny fianakaviana sy ny fiarahamonina ny zokiolona. Miharihary izany eo am-pahitana ireo raiamandreny zokiolona misotro ronono mandray anjara amin'ny fanaovana asa soa, fifanampiana amin'ny fomba isankarazany, na eo anivon'ny fiarahamonina izany na eo anivon'ny Fiangonana sy ny sekoly. Harena ho an'ny fianakaviana ihany koa izy ireo : ny raibe sy renibe, izay tsy eo amin'ny laharana voalohany amin'ny fanabeazana intsony, nefa kosa manampy ireo zafikeliny hiditra ao anatin'ny rafi-piarahamonina ao amin'ny fianakaviana.

Rehefa mivavaka ho an'ny zokiolona isika dia mieritreritra mandrakariva ny tanora, mba ho loharanon'ny fanantenana sy fandraisana andrakitra ho an'ny tanora anie ny traikefam-piainana sy ny fahendrena entin'izy ireny.

Narisoa SJ

show more

Share/Embed