Zahatany 29 Mars 2024 |Chute d'eau Ambodiriana, Grotte Ambatolatabatra, Fosse commune de 1947|
ZAHATANY ZAHATANY
2.39K subscribers
2,991 views
30

 Published On Mar 29, 2024

"Grotte" Ambatolatabatra, Manasamena: betsaka misiterin'ny 29 Mars 1947

Vato lehibe mifanohatohana sy mifanongoana ny lavabato na zohy Ambatolatabatra, Manasamena ao anatin'ny Kaominin'i Lakato, distrikan'i Moramanga

Izy io dia toerana fiarenan'ny zava manan'aina (refuge) sy miantoha fahaveloman'ny zava maniry maro mampiavaka ny faritry ny tandavan'alan'i Ankeniheny Zahamena. 700 metatra eo ho eo ny halavan'ny "grotte" fa rehefa mitsofotsofoka eny anelakelaky ireo vato lehibe ireo dia mampanonofinofy miditra ny "pyramide" lehibe any Égypte fa saingy voajanahary ny firafitry vato ao amin'ny zohy Ambatolatabatra

Amin'ny maha toerana azo antoka azy dia niafiana tao koa ireo mahery fo nisedra ny ady lehibe tamin'ny mpanjanatany teto Madagasikara tao amin'ny faritr'i Moramanga iny tamin'ny taona 1947

Roa andro no nisisika tao anaty lava-bato ny ekipan'ny Zahatany namantatra ny olika na "circuit" niaraka tamin'ny VOI FITAMI sy nijery ny toeram-piafenanan'ny mpitolona fahafahana tamin'ny mpanjana tany tamin'ny 1947

Ao anatin'ny faritra ala tantanin'ny VOI na Vondron'olona Ifotony FITAMI ao Manasamena ny "Grotte", fanirian'izy ireo ny hitrandraka azy ara-pizahatany mba hanalefahana ny tsindry mahazo ny atiala tantanin'ny VOI FITAMI
Rehefa avy eo amin'ny 10ora ao amin'ny TVM (Televiziona Malagasy) ny fotoana

Zahatany - Corridor Ankeniheny Zahamena, Manasamena
#EnRoutePourlesAiresProtégées
#FaritraArovanaTandavanalaAnkenihenyZahamena

show more

Share/Embed