Hira: ANDEHA ISIKA OMBAO NY LALANA (Ankalazao ny Tompo - Sampakazo) - INFO ECAR TOLAGNARO
INFO ECAR TOLAGNARO MADAGASCAR INFO ECAR TOLAGNARO MADAGASCAR
437 subscribers
16,059 views
132

 Published On Apr 5, 2020

HIRA : Andeha isika ombao làlana (Ankalazao ny Tompo)
(SAMPAKAZO)

Fiv : Andeha isika ombao ny làlana mankany Jerosalema
Andeha hamelatra ny fiainana, mba hiderana ny Tompontsika
Fa i Jesoa tsy nilavo lefona hanao sorona ny fiainany;
Ny lalan-kodiaviny omankomanina fa tamy Izy e;
Ihantsikantsiho ny latsitanana fa tamy Izy e.

1- 'Zao no nohafarany tamin'ny mpianany,
Rehefa akaiky i Jerosalema,
'Ndeha ianareo mialoha làlana Ahy,
Manketsy amin'ny vohitra tazana itsy,
Ao an-tanàna ao misy ampondra,
Mbola ao am-patorana ao izy zay,
Mirao-bilona akaikiny eo,
Zanak'ampondra miriorio,
Vahao ny reniny ho afa-patorana,
Entonareo izy mankaty,
Ary raha misy be fanontany ,
Ka te hanadinkadina anareo,
Misy ilan'ny Tompo azy, ka lazao izy e (2)

2- 'Zao no nohafaran'ny mpaminany,
Raha atao ohatra ry Izaia,
'Zao no voalazan'ny mpaminany,
Raha toa tanisaina ry Zakaria,
Indro ny Tompo Mpanjakanao,
Ry zanakavavin'i Siona,
Mailaka ianao amin'ny totorebika,
Hatramin'izay faran'ny herinao,
Ho avy ny Tompo Mpanjakanao,
Ho avy hitaingina ampondra Izy,
Izao koa ny hafatra famantarana,
Eo imasonao ry Jerosalema,
Hobio ny Tompo Mpanjakantsika, fa tamy Izy e (2)

3- Misy ilan'ny Tompo antsika,
Fa tsy adaladala ny Tompontsika,
Misy ilany ny ambanilanitra,
Tsy ny olon-tsotra no atositosiny,
Dinidiniho àry izay mamatotra,
Ny fontsika hanavakavaka;
Dinidiniho koa ny vela-pandrika,
Hamingampinganana ny olom-bodo,
'Reny rehetra ireny mbola horesena,
Fa halan'ny Tompo Mpanjakantsika,
Ary raha misy malai-fonosana,
Tsy avy hitsena ny Tompontsika,
Misy ilan'ny Tompo antsika, lazao izy e. (2)

show more

Share/Embed