FIAINANA MANDRAKIZAY, Ndriana RAMAMONJY
skotef skotef
844 subscribers
10,918 views
65

 Published On Mar 14, 2022

"Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay."
Jaona 3:36a

1. Na manjombona ny andro androany
Fantatro fa any ambadika any
Misy ilay masoandro izay tsy mba mamitaka
Handraoka ny aizina sy ahiahy

Hitondra hafanana sy hazavana
Hanoro ahy 'zay lalana ombana
Na hilentika aza io
Inoako fa mbola hiposaka
Raha io masoandro io

Raha mbola eto an-tany dia tsy maintsy hisento aho
Tsaroko anefa ilay masoandroko ao
Hitondra hafanana sy hazavàna
Hanoro ahy zay lalana ombana
Na hilentika aza io
Inoako fa mbola hiposaka
Raha io masoandro io

2. Na manjombona ny andro androany
Fantatro fa indray andro any
Tsy masoandro intsony no ho fanazavana ho ahy
Fa Ilay voninahitry ny Ray
Tsy hilentika intsony izy izay
Fa haharitra mandrakizay
Ka ny hafanana sy hazavana izay hatolony ahy
Dia FIAINANA MANDRAKIZAY

Raha mbola eto an-tany dia tsy maintsy hisento aho
Tsaroko anefa ilay masoandroko ao
Tsy hilentika intsony izy izay
Fa haharitra mandrakizay
Ka ny hafanana sy hazavana izay hatolony ahy
Dia FIAINANA MANDRAKIZAY

Tarika Ndriana RAMAMONJY

show more

Share/Embed