Mila Rano - Erck Manana
Hira Gasy Hira Gasy
4.5K subscribers
602 views
4

 Published On Nov 2, 2023

Betsiboka tsy nandalo anie
Variana niankandrefana
Tsara tondraka finaritra
Izay faritra lalovany

Mandoro fela-tongotra mahamay
Ity tany nodiaviko hatramin’ity marain’ andro
Tsy felana, tsy ravina hialofana
Fidonaky ny masoandronay aty ka tsy misangy anie

O mila rano!!
Fa tsisy fatsakana e!
Mihaotra havoana maro an-tongotra
Izay no iray damozana e!

O mila rano!
Ireo zanaka amam-para e!
Ataon’ny aretina angaredona
Mikaika tsisy farany e!

O mila rano!
Tontolonay aty e!
Manofy tany lonaka, ala maitso mavana
Pitik’orana e!

show more

Share/Embed