Fangatahana ampanaovin’ny Papa mandritra ny volana Aprily 2022
AFAFI-FET Madagasikara AFAFI-FET Madagasikara
354 subscribers
64 views
0

 Published On Apr 13, 2022

« Mba hotohanan’ny fitondram-panjakana sy ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana anie ny firotsahan’ireo mpiasan’ny fahasalamana mikarakara ny marary sy ny zokiolona, indrindra any amin’ny firenena tena mahantra ».

Ny horonan-sarin’ny Papa na ny « vidéo du Pape » izay mampiely ny fangataham-bavaka isam-bolana ampanaovin’ny Ray masina, ho an’ity volana aprily ity, dia natokana indrindra ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana mikarakara ny marary sy ny zokiolona. Manantena ny Papa Fransoa, ao anatin’izao fotoana mbola mampirongatra ny valan’aretina izao, « mba hotohanan’ny fitondram-panjakana sy ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana » ny mpiasan’ny fahasalamana. Resahin’ny Papa ao anatin’izany ny zavatra iainan’ny sampan-draharaham-pahasalamana eran-tany.

Io horonan-tsarin’ny Papa io dia ahitana ny sarin’ireo mpiasan’ny fahasalamana manome karazana fitsaboana isankarazany ho an’ny olona tsy ankanavaka eran’izao tontolo izao, any amin’ny hôpitaly, any amin’ny fiara mpamonjy voina, any amin’ny sisin-tany sy any amin’ireo toby tranolay ary any ambanivohitra lavitra any.

« Ny valan’aretina coronavirus dia nanasongadina ihany koa ny zava-misy fa tsy ny olon-drehetra no misitraka ny fitsaboana tsara natao ho an’ny daholobe », hoy ny Papa nanambara. Ny firenena tena mahantra sy tena marefo dia tsy afaka misitraka ny fitsaboana ilaina hanasitranana ireo aretina tsy tambo isaina izay mbola mianjady aminy.

Ho an’ny Papa Fransoa, ny tsy fahampian’ny fahazoana fitsaboana sahaza, mifandraika amin’ny aretina mahavoa, dia matetika noho ny tsy fahampian’ny fitantanana ny loharanon-karena sy ny tsy fahampian’ny fandraisana andraikitra matotra avy amin’ny fitondram-panjakana.

Manoloana izany indrindra no anaovan’ny Ray Masina antso avo amin’ny fitondram-panjakana sy ny vondrom-piaraha-monina isan-tokony ; hoy indrindra izy amin’izany : « Te hangataka amin'ny fitondram-panjakana amin'ny firenena rehetra maneran-tany aho, mba tsy hanadino fa ny fitsaboana tsara sy mahomby, azon'ny rehetra idirana, no laharam-pahamehana ». « Raha mbola tsy nisy izany hatreto, hoy ihany izy, dia « vokatry ny tsy fahampian’ny fitantanana ny loharanon-karena sy ny tsy fisian’ny finiavana politika matotra ».

Eto dia omen’ny Papa Fransoa lanja manokana amin’ny fanentanana sy ny fampianarana ataony ny mpitsabo sy mpikarakara ary ireo mijaly noho ny aretina na noho ny fahanterana. Ny fitsaboana dia fotoana iray ahafahan'ny mpikarakara sy ny marary mifandray. Tena manan-danja tokoa amin’ny fikarakarana ny marary sy ny zokiolona ny fifandraisana. Miorina amin’ny fifanajana sy ny fifampitokisana izany. Ny fifanajana sy ny fifampitokisana eo amin’ny mpitsabo sy ny marary mantsy no ahitana fahombiazana sy ahazoana ny fahasalamana.

Ny fangataham-bavaka amin’ity volana ity àry dia natokana ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana mikarakara ny tsy salama sy ireo zokiolona, ireo marefo. Ao anatin’ny fotoan-tsarotra izy ireny, dia matetika tsy manana fanohanana ampy, indrindra any amin’ireo firenena mahantra. Ny fisian’ny valan’aretina dia toa manamafy fa tena ilaina amin’ny fiaraha-monina ny endri-pitsaboana mahomby sy ny mpiasan’ny fahasalamana manao ny asany am-pitiavana sy fahafoizan-tena. Mangataka fanampiana bebe kokoa hanohanana azy ireny ny Papa, indrindra any amin’ireo firenena manana rafitra ara-pahasalamana marefo, raha tsy izany dia hiatrika valan’aretina vaovao isika.

Narisoa sj
Loharano nanovozana : « vidéo du Pape », mois d’Avril 2022

show more

Share/Embed