HOMAMIADAN'NY PROSTATE (CANCER DE LA PROSTATE) [MG]
RAKOTOZAFY Mahefa Serge (MÉDECINE EN VIDÉO) RAKOTOZAFY Mahefa Serge (MÉDECINE EN VIDÉO)
21.9K subscribers
295 views
8

 Published On Apr 29, 2022

HOMAMIADAN'NY PROSTATE
Fandaharana "SAMY SALAMA"
Radioplus TV-111-679 (startimes)
Radioplus 100.2 FM (radio)
Alakamisy 10 Martsa 2022
(10h30min-11h30min)
---------------------------------------------
HOMAMIADAN’NY PROSTATE
FANAZAVANA:
Ny Urètre dia fantsona mitondra ny Pipy avy amin’ny Tatavia mivoaka ivelany. Amin’ny lehilahy izy dia mitsinjara ho Urètres:
Postérieur (aoriana) : Préprostatique - Prostatique (rakofan’ny Prostate) - Membranacée.
Antérieur (aloha, na spongieux satria rakofan’ny corps spongieux, izay mampihenjana ny filahiana) : Bulbaire - Pénien (anivon’ny filahiana).
Antenantenan’ny Urètre prostatique dia ahitana fibontsonana antsoina hoe « colliculus séminal » (veru montanum) misy lavaka ivoahan’ny « conduits éjaculateurs » (ivoahan’ny sperme) sy « utricule prostatique ».
Ny « Androgène » dia hormone (tsiry mpanentana) mihazona ny toe-batana maha-lehilahy. Isan’izany ny Androstanolone (DHT na DiHydroTestostérone), vokarin’ny Prostate/Testicules/Follicules pileux (Foto-bolo)/Surrénales (ambonin’ny Voa).
Ny Prostate dia Glande:
Mamokatra « Liquide séminal » (tsiranoky ny Sperme, iarahany mamokatra amin’ny Vésicules séminales), manalefaka ny asidra vokarin’ny fivaviana sy tsy mampivaingana ny Sperme.
Mamoaka Sperme (Ejaculation) amin’ny alalan’ny fisokafan’ny Hozatra antsoina hoe « Sphincter strié » eo ambaniny.
Mamokatra DHT.
Antsoina hoe Adénocarcinome ny homamiadana mahazo Glande (mpamokatra tsiranoka) na Fonon-taova anaty.
Ny Homamiadan’ny Prostate dia matetika Adénocarcinome.
HOMAMIADAN’NY PROSTATE:
Mifandray amin’ny: Taona (Lehilahy 40 taona) - DHT – Firazanana - Sakafo be menaka.
PROSTATISME (fahateren’ny Urètre - Dysurie na Fahasahiranana mamoaka pipy): Famoahana pipy Tara/Maharitra ela - Manena mamoaka pipy - Mihena ny firitihan’ny pipy (jet urinaire diminué) - Misy ambiny rehefa avy mi-pipy (résidu post-mictionnel) - Misy mandeha ho azy rehefa tapitra ny famoahana pipy (Incontinence par regorgement)/Poritra lava (indrindra amin’ny alina: Pollakiurie nocturne) - Tsy mahazaka poritra (Mictions impérieuses).
Hafa : Fandehanan-drà amin’ny Pipy (Hématurie), na manaraka ny Tsirin’aina (Hémospermie) - Priapisme (fihenjanan’ny Filahiana maharitra, nefa tsy misy fanairana).
Fanamarihana: Tsy arakaraka ny haben’ny fivontosana akory ny fahasahiranana mipipy - Tsy miteraka homamiadan’ny Prostate izy, saingy tsy manakana ny fiaviany.
VOKA-DRATSINY:
Rétention aiguë d’urine: Mihitsoka tanteraka tampoka ny pipy.
Maharitra - Pipy mihitsoka tsikelikely - Infection (Adénomite) - Vessie de lute (Tatavia manotra lava - bokon'hozatra ka mihalehibe/maniry ny fonony - mihakely ny anatiny - mora poritra) - Insuffisance Rénale Chronique (tsy fahavitan’ny Voa ny asany) - Hernie inguinale (fibontsonana amin’ny elakelam-pe noho ny fanenana be).
FANDRAISANA AN-TANANA (arakaraka ny fahasahiranana sy ny zava-misy):
Misy Fitsapana/Fitiliana ataon’ny dokotera anamarinana ny zava-misy sy ahitana ny fiparitahany (Atody tarimo/Taolana/Valahana …) ary ahafahana manapa-kevitra ny fitsaboana.
Tsara ny manao Dépistage (fitiliana lehilahy antitra amin’ny alalan’ny Toucher Rectal) mialohan’ny hiparitahany.
Fandidiana - Radiothérapie (famonoana amin’ny alalan’ny Rayon) - Hormonothérapie (Fanalana Testicules/Fanafody).
Sonde vésicale (fantsona apetaka manazava ny lalana).
Fandraisana an-tanana ny voka-dratsy.
Fanaraha-maso.
----------------------------------------------------
Dr Rakotozafy Mahefa Serge

show more

Share/Embed