FANDEHANAN-DRA AORIAN'NY FITERAHANA (HPP) [MG]
RAKOTOZAFY Mahefa Serge (MÉDECINE EN VIDÉO) RAKOTOZAFY Mahefa Serge (MÉDECINE EN VIDÉO)
21.9K subscribers
145 views
5

 Published On May 15, 2022

HEMORRRAGIE DU POST-PARTUM
Fandaharana "SAMY SALAMA"
Radioplus TV-111-679 (startimes)
Radioplus 100.2 FM (radio)
Alakamisy 02 Aprily 2022
(10h30min-11h30min)
----------------------------------------------------------
FANDEHANAN-DRÀ BE LOATRA @FARAN'NY FITERAHANA(Hémorragies de la délivrance)
FANAZAVANA:
Ny fiendahan'ny Ahitra(placenta) dia mampisokatra lalan-drà ka mampandeha rà.
Ny vokany dia misy vaingan-drà miforona anelanelan'ny Ahitra sy ny Tranonjaza.
Ny fiforonan'io vaingan-drà io no mahatonga ny ahitra hamokatra "substances" mampijanona rà(Thromboplastines placentaires).
Ny fiverenan'ny Tranonjaza hifintina ka miketoka ny lalan-drà no manampy hampijanona ny rà.
Azo lazaina ho mandeha be loatra ny rà raha mihoatra ny 1/2L mandritra ny 24h aorian'ny fiterahana.
Efa misy fihetsika ataon'ny Rasazy/Dokotera rehefa mampiteraka mba hampihena ny fiaviany.
Mety hahafaty eo noho eo izy io raha tsy misy fandraisana an-tanana haingana.
Izany no amporisihana ny bevohoka hiteraka eny @tobim-pahasalamana, akaikin'ny fanaraha-mason'ny Mpitsabo.
FISEHONY:
Ny fandehanan-drà dia:
Mety tsikaritra aty ivelany: Rà velona + Vaingan-drà.
Mandeha betsaka kokoa any anaty ka mamitaka: tsikaritry ny mpampiteraka @fitsapana kibo sy fijerevana tosi-drà.
Manao Choc Hémorragique ilay mpiteraka:
Tosi-drà midina - Fitempon'ny Fo mitombo.
Hatsatra - - Mangetaheta be.
Mitaintaina - Tsembo-dratsy.
ANTONY:
Tsy niendaka tanteraka ny Ahitra, noho ny olana avy @:Tranonjaza-Ahitra-Fomba niterahana ...
Tsy mifintina araka ny tokony ho izy ny Tranonjaza.
Olan'ny Fivainganan-drà.
FITSABOANA:
Alana ny ondana hampidina ny Loha - ampiakarina ny Tongotra.
Ilaina haingana: Rasazy - Dokotera mpikarakara fivavian'ny vehivavy(Gynécologue-Obstétricien) - Mpampatory(Anesthésiste-Réanimateur).
Fanavotana aina ataon'ireo Mpiasan'ny fahasalamana 3 ireo:
Mikaroka ny antony.
Mampijanona ny rà.
Mamerina ny ain'ny mpiteraka.
------------------------------------------------------
Dokotera : Rakotozafy Mahefa Serge
Mpanolotra : Rommy Tokiniaina

show more

Share/Embed